IZAHO MATOKY ANAO (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha misy zavatra miseho
Izaho Jesoa matoky Anao
Ny adin-tsaina avelako eo
Fa ny fantatro dia izao

“He velona aho ka miaina soa,
Miaraka Aminao Jesoa
Dia mitony sy milamina ny fo”

Tsy miala ety an-tany ety
Ny ady mety handratra fo
N’inona mahazo ety
Mampandresy ahy ianao Jesoa

“Fa ny ahy ny voadiko dia izao
Izaho Jesoa tsy hiala aminao
Izany re f’izaho tena matoky Anao”

Ref:Raha misy mampanahy
Izaho matoky Anao
Arovy aho re ho sahy
Izaho matoky Anao
“Izaho Jesoa matoky Anao”
Aretina va re?
Izaho matoky Anao
Sa fahasahiranam-be?
Izaho matoky Anao
“Izaho Jesoa matoky Anao”

Tsaroako Ianao niteny hoe
“Indro Izaho momba anao”
Izay no nahatonga ahy handeha
Tsy hanana ahiahy toy izao

Na misy tafiotra aza anie
Eny an-dalana aleha
Inty aho fa vonona hatry ny ela be

Ref:Raha misy mampanahy...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Hits : 14033
Likes : 1 Like
Created by : Faliana2402
Date : 08/08/2018 09:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1025