Sombitsombiny (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny feoko efa farina
Reraky ny miangavy anao
Fisarahana lalina
Tsy azo sakanana ny ao

Ny masoko valaka
Manganohanom-pitia
Fa tsy te hisaraka
Miangavy ihany fa mbola tia

Refrain:
Raha tsy ho tana ihany
Iangaviko mba ho rahampitso maraina
Fa ilaiko ianao
Hampangina ahy

Raha tsy ho azoko tanana ianao
Andeha zory fa tsy olana intsony
Ataoko ahoana moa
Ny hanembona ny olon-tsy tia

Satria misy mantsy anie
Tia fa tsy tiana
Ka mijaly sy mivesatra
Ngidy anatin'ny fihafiana

Mbola mba manantena ihany aho
Sombitsombiny avy aminao

A/C: Lita
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mage 4
Hits : 2079
Likes : 0 Like
Created by : rlafatra88
Date : 30/12/2018 16:16
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074