Sasatra (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sasatra

Misafotofoto io rivotra mitsoka io
Ka mitambolona irery tsy hay
Fa mitsoka toy ireny tadio
Misakana toa ny tsy ho avy
Fa manina anao ka miantso an-kira aho

Sasatra foana aho manontany mpandalo
Mbola tsarony ihany ve ny andro fahiny
Sasatra aho mitazana mankany
Sasatra aho miezaka maminany
Hoe ao ambadika ao ihany ve Iarivo

Fa na dia any aho miantso, hoe ,
Miantso ka manontany:ho ela ve ny fotoana
Ahitako anao
Mba tsy ahatokana anao
Hifaliantsika indray ?
Na dia lavitra aza aty
Ny saiko ange tsy mamela
Fa hoe aoka tsy ho ela

Mage 4
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mage 4
Hits : 4250
Likes : 2 Like
Created by : Hasimbola
Date : 29/12/2001 18:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756