Tsy ataoko fantatrao (Liva Andrianavalona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho avy izay andro handaozanao ahy
satria samy hafa feo ny hira tao ao am-pontsika
dia ho hitanao eo fa tsy hisy hampanahy
tsy asiako tomany ny ora hisarahantsika

Vao teny am-piandohana dia ambeti-teninao
Toy ny hoe filazana tsy hifikitra ny hitia
Izaho indray toa adala nikipy tsotra izao
Na dia efa voarara dia vao mainka koa ninia

Izay rehetra nokoboniko dia tsy ataoko fantatrao
Ireo nofinofy noforoniko dia tsy ataoko fantatrao
Izay faniriana sy toloko dia tsy ataoko fantatrao
Mitempo ho anao ny foko fa tsy ataoko fantatrao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Liva Andrianavalona
Hits : 1941
Likes : 0 Like
Created by : ClotildeR8
Date : 30/11/2016 18:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712