Raha misy ny atao (Kelly Rajerison)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha misy ny atao mora aminao ve ny mampanantena
Raha misy ny omena hay hojerena ireo mampahonena
Mafimafy ihany anie izato onjan’ny fiainana eto an-tany
Ny herinao ihany no hany azonao ianteherana.

Raha misy ny marina tsara ho fantarina amin’ity fiainana
Sarotra ihany ny ho tonga amin’izany ka lasa ny fisainana
Mafimafy ihany anie izato onjan’ny fiainana eto an-tany
Ny herinao ihany no hany azonao ianteherana.

Mitsangàna aza kivy ianao, zory izato làlanao
Ny masoandro mbola eo koa hanazava ny maraina vaovao
Mitsangàna aza kivy ianao ny soa anie ho lasa ihany
Ny fiainanao mitohy hatrany
Mitohy hatrany hatrany
Ny herinao ihany no hany azonao ianteherana.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Kelly Rajerison
Hits : 2051
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 09/04/2014 22:49
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4788