Tsindri-mandry (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nahavita asa firy izy androany
Valabalaka lasa vinany
Tsy nahitana teny firy izy tamin'izany
Ny sainy toa lasa any ho any.
....
Nilanja angady izy,
Ka nitaona ireo akama mpiasa tany
Namonjy havoana,
Mba hitazana ilay akany.

Ref:
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo toa miantso hoe avia
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo malaky no niantso an-tariby.

Tsindrin-daona izy hamonjy ny tanana
Misy tsy salama angamba ny akama
Ny lohataona aza lasa manara
Volon'andro milaza fambara.

Nahita setroka izy
Setroka toa mitelina ny tany
Misy afobe mijoalajoala
Mandady, sy manantona ny akany.
Iôh! ôôôh!!!

Ref:
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo toa miantso hoe avia
Tsindri-mandry, antsom-pitia
Feo malaky no niantso an-tariby.
....
Iôh! ôôôh!!!

Ref: ...
....
Iôh! ôôôh!!!

Ref: ...
--------
Link:
Comments
hery ( 16/05/2021 12:57)
Misaotra e. Kay mbola tsy tafiditra tato ity.
D4RKN355 ( 18/05/2021 22:11)
Tsy misy fisaorana e ????, nijery ah dia tsy nahita dia zay no nanampiako azy
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Iraimbilanja
Hits : 2112
Likes : 0 Like
Created by : D4RKN355
Date : 16/05/2021 12:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815