REHAREHAKO JESOA (Chorale Fehizoro Fanantenana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ianao Jesoa no ataoko rehareha
Fa fahasoavana sy fitahiana lehibe
No arotsakao ity mpanomponao
Fitiavana tsy misy toy izao
Ianao Jesoa no ataoko rehareha
Fa fahasoavana sy fitahiana lehibe
No arotsakao ity mpanomponao
Isaorako ny Anaranao.

REF : Saotra, dera no atolotro
Fitahiana, famonjena raisiko
Ny andro rehetra sisa mbola hanompoako
Ilay Jesoa Tompoko.

REF : Saotra, dera no atolotro
Fitahiana, famonjena raisiko
Ny andro rehetra sisa mbola hanompoako
Ilay Jesoa Tompoko.

2.Reharehako tokoa Ianao Jesoa
Fa raha izaho dia mpanompo tsy mahasoa
Ny asa natao, sy izay mbola hatao
Ankinina amin'ny herinao
Reharehako tokoa Ianao Jesoa
Fa raha izaho dia mpanompo tsy mahasoa
Ny asa natao, sy izay mbola hatao
Dia mbola isaorako Anao.

REF : Saotra, dera no atolotro
Fitahiana, famonjena raisiko
Ny andro rehetra sisa mbola hanompoako
Ilay Jesoa Tompoko.

REF : Saotra, dera no atolotro
Fitahiana, famonjena raisiko
Ny andro rehetra sisa mbola hanompoako
Ilay Jesoa Tompoko.


Tonony sy Feony : Falimanitra RAMITANDRINTSOA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Chorale Fehizoro Fanantenana
Hits : 1136
Likes : 0 Like
Created by : ZokyRivo
Date : 16/11/2018 13:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0787