Tia ianao (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay mpanendrikendrika
Avelao hanenjika
Fa ianao havako
Valin’ny fivavako
Vadin’ny fisainako
Sy masoandrom-piainako
Raha ianao amiko:
Tiako sady mamiko
Fitiavana mivoitra
Ho hery sy fanoitra
Heniky ny soa
Ny amintsika, ny amintsika roa
Fitiavana mitraa
Fa mahazo laka
Ao ny hiramamy
Ny fandresena, ny fandresena tany
Tia anao hao
Ny aizan mitraho
Tsy mampanoina ahy
Izaho tsy manahy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bodo
Hits : 4571
Likes : 0 Like
Created by : Michèle RAKOTOARISON
Date : 01/01/2002 20:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0838