Ny herinao (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY HERINAO

1- Sarotra ho ahy ny mitondra tena
Olombelona aho feno fahalemena
Ka izany no nanahafahanao ahy
Hiala amin'ny ratsy ho amin'ny zava-panahy
Ho mpanompo mahatopky, feno fahononan-tena
Nanova ny fahalemena ho fanetre-tena

Ref
Na tsy mendrika aza aho
Dia tsy nolavinao raha toa nitalaho
Ka manavaoza anay izao
Hitoetra tsara sy hadio
Ahitsio hatrany raha toa ka variana
Mba hahay hibanjina ny any aoriana

2- Izaho ilay nihevi-tena ho mahavita irery
Dia nahatoky tena: mantanjaka, mahery
Na nanehoanao hay mena ambanin'ny mena
Fa ny tena hery dia ilay amim-pahalemena
Tokana ny lalana ahatongavana amin'izany
Ny fananan-toetra manaiky Azy hatrany

Ref
Na tsy mendrika aza aho
Dia tsy nolavinao raha toa nitalaho
Ka manavaoza anay izao
Hitoetra tsara sy hadio
Ahitsio hatrany raha toa ka variana
Mba hahay hibanjina ny any aoriana

**************************************************
A/C RABEARIVELO Mamy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Hits : 718
Likes : 0 Like
Created by : Vutus14
Date : 09/04/2019 14:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727