You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo Loatra

Lohateny : Loatra
Nampiditra tondrompeo : rdanielson
Daty : 27/07/2022


Tsy hitory fitia toy ny mahazatra intsony aho


Fa hovaiko indray ny lalana oh


Tsy hoe tsisy fitia ho zaraina intsony aho


Fa tena mbola manana oh


Tsapako fa kay


Misy hery ny teny ka anio ary ho ambarako oh


Teny tsotra ihany nefa mahery vaika no iriko amin'ny fiainanao sy ny fiainako





Tsy vola aman-karena ihany na fihetsika no porofom-pitiavako oh


Hitondra am-bavaka anao aho haniry ny tsara, tsara hoan'ny malalako oh


Tahin'Andriamanitra manokana enao eh,


Mba tsisy hanakatsakana oh


Satria mantsy ny fiainan'io tsy voatery mahitsy fa indraindray lavadavaka oh





Mirary soa anao eh!


Mirary soa anao eh!





Dia ho vaky ny barazy, ny rindrina hirodana


Hirotsaka amintsika ny fahasoavana oh


Handroso tsy ho reraka


Ny soa rehetra hiverina


Mba tena ho feno tanjaka oh





Dia mafy ny fitia izay anenika ny tany rehefa isika roa no mitambatra oh


Dia ny zanantsika rehetra ho feno fiadanana


Ho sambatra ny taranako oh





Tsy vola aman-karena ihany na fihetsika no porofom-pitiavako oh


Hitondra am-bavaka anao aho haniry ny tsara, tsara hoan'ny malalako oh


Tahin'Andriamanitra manokana enao eh,


Mba tsisy hanakatsakana oh


Satria mantsy ny fiainan'io tsy voatery mahitsy fa indraindray lavadavaka oh





Ka ho iriko mba itondra hazavana ilay fitiavantsika fa raha tebiteby aho efa fay


Raha toa ka zava-dratsy no nafafin'izay tsy tia antsika, ho avaditsika ho tena tsara indray


Fitiavana hafahafa tsy mitovy amin'ny isantaona fa mba miavaka, mivoaka kely indray


Fa ny foko tsy mba niova, ny fitiavako mitoetra


Aiza ihany ty le zokin'ilay zanakitsika





Tsy vola aman-karena ihany na fihetsika no porofom-pitiavako ohh


Hitondra am-bavaka anao aho haniry ny tsara, tsara hoan'ny malalako oh

Tahin'Andriamanitra manokana enao eh,


Mba tsisy hanakatsakana oh


Satria mantsy ny fiainan'io tsy voatery mahitsy fa indraindray lavadavaka oh





Mirary soa anao eh!


Mirary soa anao e!