You are here: home > Tononkira

Hevitra mikasika an'i Erick Manana

Momba an'i Erick Manana | Hametraka hevitra

8. Nampiditra : mpisotrtoaka
19/01/2015 07:04:19

Tiako ery ny malagasy e !

7. Nampiditra : Landy999
27/05/2010 10:31:39

Mitady paroles an'i Zakelina mama

6. Nampiditra : rigo
29/03/2008 11:18:48

Erick koa ange sportif enjana e!Ailier fort n'i Galliéni i lery t@ basket hono.T@ athletisme indray izy dia nifampitana t@ ry Tsôkla,Mick,Jouffle sy ry Solo Ralaikoa ireny.Toute discipline izy fa tsy ireo ihany anefa.

5. Nampiditra : grominet
15/12/2006 21:08:21

le voninkazo adaladala ve tsy le tononkalon'i Rado e? mividy boky ise de efa ao le izy. Fa lery marina hono mety hamoaka album spécial @ asa soratr'i rado lasa hira?

4. Nampiditra : grominet
13/12/2006 01:36:19

ilay hoeo tao @ tarika voamaintilany no tsy mbola henoko raha tsy izao, fa ny henoko t@ radio koa de hoe fony izy nanao vakansy tany ambanivohitra no nahazo gitara voalohany tany @ raibeny. Izy de tena hita hoe artista na mihira hiran'olona na mihira ny hirany. Ilay izy miaramihira @ le vazaha vavy iny manao kalon'ny fahiny tena mahaontsa mihitsy.

3. Nampiditra : Ryana
05/11/2005 16:24:54


rahoviana indray vao hisy fampisehoana Erick Manana eto Iarivo?
Mbola amin'ny faran'ny taona 2006 raha azoko lay hoe roa taona nanomboka ny desambra 2004.
Ela loatra kosa marina! farafaharatsiny mba misy CD vaovao mivoaka angamba anelanelan'izay!
Manantena hatrany.
Ryana

2. Nampiditra : bozimanga
29/09/2005 14:59:42

mba misy afaka manome ilay tonon -kiran 'i eric manana hoe: VONINKAZO ADALADALA INY VE DIA MISAOTRA MIALOHA EH

1. Nampiditra : Heriniaina
21/10/2001 17:45:32

RAFILIPOMANANA Erick no tena anarany.Tany Fianarantsoa izy no teraka tamin'ny 1959.Capricorne hono no "signe astrologique"ny.Ny fanatanjahatena no tena nahalalàna azy tany amboalohany(Athletisme,Basket...) nefa
niha nahazo toerana teo amin'ny lafiny zavakanto izy nanomboka tamin'ny nidirany tao amin'ny tarika Voamaintilany(Lycée Gallieni),ny namelomany ny hiran'i RAZILINAH ary indrindra indrindra ny nidirany tao amin'ny LOLO SY NY TARINY.Kihon-dàlana lehibe teo amin'ny fiainany ara-javakanto hono ny nidirany tao amin'io tarika io nefa kisendrasendra no nahalalany an'i Lolo.I Mick mpanao baolina hono no tena naman'i Lolo.Naman'i Erick koa i Mick dia i Mick no nitondra an'i Erick tany amin'i Lolo.Dia nanomboka teo ny tantara.
Taty aoriana anefa dia nangingina ny LOLO SY NY TARINY.I Erick koa tetsy andaniny nanao conservatoire no sady nanaraka an'i Graeme ALLEWRIGHT.
Taona vitsivitsy taty aoriana dia nikopak'elatra ny lehilahy ka nandeha irery.Tsy i Erick RAZILINAH intsony izy nanomboka teo fa Erick MANANA amin'izay.Tsy tonga dia "succès" anefa izy rehefa nandeha irery fa mbola nizaka ny vesatr'i RAZILINAH sy LOLO SY NY TARINY.Tsaroko tsara rehefa mijery Erick MANANA tany amin'ny taona 1993-1994 tany fa tsy dia ny hirany loatra no tena nankafizin'ny olona fa ilay RAZILINAH sy LOLO SY NY TARINY eny antsefatsefany eny.Tsy nifanandrify mantsy ny filan'ny mpanjifa sy ny vokatr'i Erick tamin'izany fotoana.
Rehefa nanangana ny FEO GASY niaraka tamin'i tpkl RAKOTO Frah(izay sakaiza mahatokiny)izy vao nanomboka tena tsapan'ny olona amin'izay ny zava-bokariny.
Rehefa namoaka ireo hira hoe "TSY FERANA" sy "TAMBAZAKO" izy dia tsy tana intsony fa ranovaky amin'izay.Mbola azontsika hamarinina izany fahombiazany izany amin'ny lazan'i "MITSONIKA AMINAO".
Dia izay sy izay ary ny momba azy ry mpamaky hajaina

Hametraka hevitra

Midira aloha