You are here: home > Tononkira

Hevitra mikasika an'i Kelly Rajerison

Momba an'i Kelly Rajerison | Hametraka hevitra

2. Nampiditra : dolbia
21/07/2008 13:28:15

Raha mba misy manana le hiran'i Kelly hoe : "Rahatrizay" iny dia isaorako betsaka ny mba hanomezany ny tonony eto farafaharatsiny, misaotra mialoha

1. Nampiditra : titi
29/09/2002 04:12:53

TARATASY HO ANAO

Raha mbola misy koa fitiavanao ahy
Mbola miaina eo anilanao aho
Miramirana ery izay jereko ety
Ny hasambarana ao am-po tsy ho lany

Lasa ianao ny omalin'iny
Satria izany no lalànan'ny fiainana ety an-tany
Mafy ny alahelo izay toa tsy haiko nafenina
Tamin'ny andro farany nahitako anao

Taratasy ho anao
Milaza vaovao
Ny andro no miharatsy aty amin'izao fotoana izao
Lasa nody ilay masoandro namiratra teo
Taratasy ho anao
No hany mba sisa manambara ahy
Fa mbola ho tsara ny ampitso
Ho haiko ve ny mampatsiahy
Fa mbola tiako ianao ?
Ilaiko ve ny mampatsiahy
Fa mbola tiako ianao ?

Hametraka hevitra

Midira aloha