Kat'mi (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Marisarisa tsy salama hono ny toe-karena
Sendra làlana malama mampihenahena
Mandositra ny ambanivohitra ny fahantrana
Mirongatra eny ambonivohitra izy ka tsy tana
Aiza ho aiza hoy ianao no toerana hamaharany e
Hanorenany  indray zay mety ho tantarany
Fa eny ambodimbody  hazo
Tsy hahalala tazotazo
Tazotazom-pahantrana sarotra ialana
Tsy ho ela dia ho  fefika ilay tanàna

Mitombo an-toerana isan’andro izao ny kat’mi
Mampanjelatra masoandro ireo trano fatim-bý
Mirongatra etsy sy eroa, maniry toy ny anana
Mivangongo ao avokoa rehefa mety tsy fananana
Ny hohanina amin’izany tsy misy tokotaniny
Be ireo zaza fanimpanina, tsy misy ny hohanina
Fa eny andavandavampako
No miady mifandako
Hamenoana lay vavony tsy  mety tony
Noana lava tsy ampy saosy ka mangaro-paosy

Mipetraka ho ahy sy ho anao, io no zava-misy
Havako io, havanao, tsy vitan’ny indrisy
Niangaran’ny fiainana sy ny vintana
Tapi-dalan-kitarainana toa trondro azom-pitana
Inona ary hoy ianao no vahaolana maharitra
Hahatonga azy ireo mba olona finaritra
Manana asa ivelomana
Mba tsy hitoka-monina
Hanjary olom-baovao, manan-katao.
Manan-jò, manan-tsafidy mba tsy ho voavidy
Gasy ray, gasy reny izy ireny
Gasy ray, gasy reny izy ireny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 3506
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/10/2015 20:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323