TOMPOKO IANAO (RIAMPEON'NY MARITIORA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Jeso o! Apetrako aminao
Ny fiainako sy izay rehetrako
Na ny anio na ny ampitsoko
Dia foiko omena anao ny hoaviko izao

Fantatro fa raha ianao no anankinako
Ny mafy indrindra diaviko
Sy izay rehetra mampanjo
Dia ireny indray no lasa tohatra iankarako
Ananako ilay zavatsoa
Ao amin' Jesoa
Ka noho izany re!
Raiso ambany helatrao
Fa tiako raha mandeha
Miaraka amiko ianao (ry Jeso!)
Ampy ahy hatrizay
Ny fitiavanao ry Ray
Nambabo zato fo fanahy
Ka Tompoko ianao mandrakizay


2-Tompo o! ny fifaliako koa
Tsy hadinoako anao ry Andriamanitro
Fa taminao dia taminao ny soa
Ka raha mbola homenao
Androm-piainan' aho

Dia hatsiaro anao ka hanompo anao no tiako atao
Fa ianao dia tsy mandao
Zay te hiaraka aminao
Ray;mbola sitrakao ny antony havelomako
Matoa aho mbola toy izao
Ry Andriamanitro
ka noho izany re!
Raiso ambany elatrao
Fa tiako raha mandeha
Miaraka amiko ianao (ry Jeso!)
Ampy ahy hatrizay
Ny fitiavanao ry Ray
Nambabo zato fo fanahy
Ka tompoko ianao mandrakizay

RIAMPEON'NY MARITIORA
Tonony: Ernest .R
Feony: Safidy
Album :"Asandratray ny feo "
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RIAMPEON'NY MARITIORA
Vangy : 1369
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : radothif
Daty : 01/06/2016 19:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817