You are here: home > Tononkira > Zo Ryan

Mbola izy (Zo Ryan)

https://tononkira.serasera.org/hira/zo-ryan/mbola-izy-2

Raha ho any ianao,
Raha hitanao any izy dia mba ilazao
Tsy tafandalo hono izy fa tsy hoe lao
Voatanan’ny atao
Ny fony hoe tsy miova fa toy lay omaly ihany
Ka hatasaharo ny tomany
Raha mbola ianao koa, tsaroany hatrany
Ny fitiavako indray mbola azy foana
Tsy voafafan’ny fotoana
Esory  ao an-tsaina ao ny hoe hisaona

Lazao azy tsara fa izy hoe tsy ariako
Mbola izy foana no tiako
Ambarao azy koa fa tsy miova ny foko
Fa ‘ndrao izy dia toloko
Iangaviako ianao mba hanazava ny sainy
Hanorotoro eo zay tsy hainy
Fa toky avy aty amiko, zay no ilainy.

Raha ho any ianao
Ka hitanao any izy dia mba ilazao
Tsy tafandalo hono izy fa tsy  hoe lao
Voatanan’ny atao
Ny fony hoe tsy miova fa toy 'lay omaly ihany
Ka atsaharo ny tomany
Raha mbola ianao koa tsaroany hatrany
Ny fiTsiky dia ampytiavako indray  mbola azy foana
Fa tsy voafafan’ny fotoana
Esory ao an-tsainy ao ny hoe hisaona

Lazao azy tsara fa izy hoe tsy ariako
Mbola izy foana no tiako
Ambarao azy koa fa tsy miova ny foko
Fa ‘ndrao izy dia toloko
Iangaviako ianao mba hanazava ny sainy
Hanorotoro eo 'zay tsy hainy
Fa toky avy atý amiko, zay no ilainy.

Na betsaka aza ireo fakam-panahy
Aza manahy
Ho tsaroako foana ny fisiany ao am-poko
Izaho lay tsy anilany fa ilay fitia mbola azy
Tsy nisy nomeko ny toerany

Lazao azy tsara fa izy hoe tsy ariako
Mbola izy foana no tiako
Ambarao azy koa fa tsy miova ny foko
Fa ‘ndrao izy dia toloko
Iangaviako ianao mba hanazava ny sainy
Hanorotoro eo ‘zay tsy hainy
Fa toky avy aty amiko, zay no ilainy.
Fa toky avy aty ihany, zay no ilainy
Fa toky avy aty ihany, zay no ilainy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Zo Ryan
Mpamaky : 2338
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 12/04/2015 22:27:17
ID : 7383

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo