Lalan-davitra (zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana))

https://tononkira.serasera.org/hira/zah-mtf-zah-mamafy-teny-fiainana/lalan-davitra-1

Lalan-davitra
Lalan-davitra no aleha vao tonga an-danitra
Misy fitsapana be tsy maintsy hiaretana
Ho anao nanolo-tena, tsy mora fa miambena
Mahareta hatramin’ny farany mitondra ny anarany

Ref :
Dia aza mihemotra, hiverin-dalana
Aza omenao an’ny hafa izay anjaranao
TazomyTsiky dia ampy an-tanandroa, ny anjara lovanao
Mba tsy hisy haka anie ny satro-boninahitrao

Tsy ianao irery anie sakaiza no mizaka izao
Reo namanao hatraiza hatraiza any ambadika any      (hatrany)
Miara-mitondra aminao, mivavaka ho anao
Mahareta hatramin’ny farany mitondra ny anarany

Ref :
Dia aza mihemotra…

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : zah MTF (Zah Mamafy Teny Fiainana)
Mpamaky : 1099
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : mafyloha3
Tamin'ny : 25/10/2018 13:01:17
ID : 11073

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo