Ho azy ireo (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy izay anie mba reharehany
dada tiany, tsy foiny indrindra
tsy voasolo izy
izy izay anie namita ny asany
niasa ho an'ny tanindrazany

Tampoka anefa tany am-pamitàna ny adidiny
dia re fa lavo tsy nialana nenina ilay havany
vatana mangatsiaka sisa no mba nosarangotina
folaka andry niankinana ireo zanany

Mba nanantena izy ny mbola hiverina
raha niainga indray maraina izay teo an-tseranana
Ny fara-hafany tamin'ireo malalany
tsy ho ela aho dia hotafaverina

Indrisy anefa fa tsy isika no mandahatra mialoha
f'izay miseho dia lahatra voatendrin'ilay Ray Tsitoha
ka na ho levona aza ny nofony dia mbola ho vatolampiny
sy anjarany mandrakizay Jehovah Ray
ka na ho levona aza ny nofony dia mbola ho vatolampiny
sy anjarany mandrakizay ianao ry Ray

Ny herim-ponareo na ny aina latsaka
tantara hipetraka izy ireny
mbola hosoratana
tsy ho very an-javona na sanatria hiraraka
masina ho an'ny tanindrazana

Ny asa nanirahana anareo tontosa rahateo
vahoaka an-tapitrisa no misaotra indray manandra-peo
mandria am-piadanana ianareo nanao sorona
ny fasahianareo ho fanavotana
mandria am-piadanana ianareo nanao sorona
ny fasahianareo ho fanavotana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 1458
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ajarjump00
Daty : 14/06/2019 15:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756