Fa Matoky aho... (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hay fefena; tsy hay resena
ny hafanam-ponao hatram’izay.
Jehovah mahita ‘zay rehetra efa vita.
Ny fiaretanao modely ho anay .
Raha hotsaraina ianao , dia tadidio hoe :
Izaho tsy irery anie ;
Fa Jehovah hanaraka an’ahy eny !
Ampiany aho hiteny.

Matoky aho fa tsy hahasaraka ahy amin’ i Jehovah.
‘zao fiainana izao na izay ho avy.
Na ambony na ambany, na hery, anjely
na fitondrana, na fahafatesana aza !
Ka… na ahoana na ahoana, Jehovah tia ahy foana.

Na dia voarara ny vaovao tsara,
ny tsy fivadihanao tsy mba lefy.
Tsy maty vonoina ny tena finoana,
Ny mpanampy anao, mahery tsy ho resy.
Raha ho gadraina ianao, na aiza eto an-tany,
Dia tsy irery izany, fa Jehovah hanaraka anao any,
Hampahery hatrany.

Matoky aho fa tsy hahasaraka ahy amin’i Jehovah.
‘zao fiainana izao na izay ho avy.
Na ambony na ambany, na hery, anjely
na fitondrana, na fahafatesana aza !
Ka… na ahoana na ahoana, Jehovah tia ahy foana.

(Ououou) Tsarovy izany… (Oooh iee)
Izay tia an’i jehovah dia efa manampo
hosedraina aloha
Fa ny finoanao mandresy an’izao tontolo izao ,
Oh mpandresy ianao !

‘fa matoky aho fa tsy hahasaraka ahy amin’ i Jehovah.
‘zao fiainana izao na izay ho avy.
Na ambony na ambany, na hery, anjely
na fitondrana, na fahafatesana aza !
Ka… matoky aho fa tsy hahasaraka ahy amin’ i Jehovah.
‘zao fiainana izao na izay ho avy.
Na ambony na ambany, na hery, anjely
na fitondrana, na fahafatesana aza !
Ka… na ahoana na ahoana, Jehovah tia ahy foana.

Jwbroadcasting september 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 923
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 14/09/2020 19:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712