Alao sary an-tsaina (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainanay anie ady mafy
Mahantra ka voatery mihafy.
Ny maso fotsiny no hakipio,
’lay paradisa io ambadika io.
Ref: Alao sary an-tsaina izay andro ‘zay.
Ho faly ianao fa paradisa indray
Alao sary an-tsaina àry hoe isan’andro ianao,
Hisaotra sy hankafy an’ilay fiainam-baovao.

Hatrizay tsy nisy feo mba reko.
Manjavozavo izay jereko.
Nefa ami’zay hankafy mozika;
Hazava indray ‘zay rehetra hita.
Ref: Alao sary an-tsaina izay andro ‘zay
Ho faly ianao fa ho tanora indray.
Alao sary an-tsaina àry hoe isan’andro ianao.
Hisaotra sy hankafy an’ilay fiainam-baovao.

Hiaritra na mafy aza,izaho satria
Tsy ho ela dia mba hirihariha.

Ref: Alao sary an-tsaina izay andro ‘zay
Ho faly ianao fa ho salama indray
Handiha sy hilalao,hankafy ‘zao rehetra ‘zao
Isan’andro hihatsara ny fiainanao.
Alao sary an-tsaina izay andro ‘zay
Ho faly ianao fa paradisa indray
Alao sary an-tsaina àry hoe isan’andro ianao;
Hankafy ’lay fiainam-baovao.

JWBroadcasting March 2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 967
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 25/08/2019 11:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741