You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Angolanao (Tovo J'Hay)

Tsy tana ny foko fa
Voatery ny ora sy fotoana
Tsy nety nangina
Fa te hiantso anao foana
Tsy afaka ao andoha
Ao an-tsaiko avokoa
Ireo kisarisary izay niainantsika roa.

Nanjary mangovitra aho
Raha vao mandre ny anaranao
Raha vao mangina irery iny
Dia mahatsiaro ireo fahiny
Fa toy ny vao aninkeo
Ireo tantara izay niseho
Gina sy variana tampoka teo

Efa reko sahady any anatiko any
Ny angolanao
Ilay fitsikinao nambabo ahy
Tsy  mahasaraka ahy
Tsy mety lefy
Toy ny mozika tsara tefy .

Angolanao izay ilay tsTsiky dia ampyy foiko *
Angola mitalaho
Fa tsy mety tony ny saiko
Raha eo tsy kaikinao
Fa raha ny eritreritro
Fotoana iray no andrasako
Dia ilay andro iray hiaonantsika(X3)
Eto indray

Ireo fotoana mifangaro
Sy ireo minitra maromaro
Izay nifampizarana vetivety de tsy tana
Fa tsy nety afa po
Olon kely anakiroa
Fa tsy mifanary ,tsy misara droa

Ireo tononkalo nosoratanay
Voarakitra an taratasy iray
Dia mbola votahiry na dia efa taona firifiry
Tsy hay adinona
Ilay soratrao tsy mety novonoina
Raikitra am po volamena tsy mba loha

Efa reko sahady...sns

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 13650
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : lal'aina pisou
Tamin'ny : 20/11/2015 09:22:03
ID : 7913

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo