Fanekem-pinoana (Solo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahoana ny maso no tsy hanganohano
Raha sendra alon-drano
Nahoana ny saina no tsy hovalalanina
Raha sangodim-panina
Mahery mahamay,
No hitsapana anay,
Ry Tompo Rainay

Nahoana moa, nahoana ny fo no tsy ho torovana
Raha sendra fahatsiarovana
Nahoana koa, nahoana no tsy ho adaladala
Raha zanaka malala
Tiana sy lalaina,
No indro re nalaina
Mbola vao maraina

Kanefa Raiko ô, izato hira ory
Izay asandratro izao
Tsy sanatria tsy akory ho faniniako anao
Fa mainka anolorako indray Aminao
Ilay manda vaovao,
Ny herin’ny finoako, tsy mbola niova loko
Satria mino aho fa ilay velomanay, dia mandrampihaona ihany
Satria mino aho fa ilay velomanay, tsy ho mandrakizay

Fa mainka anolorako indray Aminao
Ilay manda vaovao,
Ny herin’ny finoako, tsy mbola niova loko
Satria mino aho fa ilay velomanay, dia mandrampihaona ihany
Satria mino aho fa ilay velomanay, tsy ho mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solo
Vangy : 21699
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 28/10/2004 12:13
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2399