Manimanina ny any Alaotra (SOLO MIANADAHY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo voron-drano, variana milomano
Faly aok'izany mamonjy ny akany
Misosa tsy kamo manamorona rano.
(Manimanina amoron-drano zaho
Ô tsy tamana, te hiverina an-tanàna )x2

Ny Mpanarato, mivoy tsy miato
revo mihira, mameno ny hariva
mamindra tsy taitra manamorona zetra.
(Manimanina amoron-jetra zaho
Ô tsy tamana, te hiverina an-tanàna)x2

Ireo Tovovavy mamikiviky,
Tratra hariva avy nanihika
Miakatra ny rano ô, be ny hazandrano
(Manimanina ny any Alaotra zaho
Ô tsy tamana, te hiverina an-tanàna )x2

Mameno ny lemaka, izay midadasika
Vory maromaro ô, toa mifangaro
Fa vokatra ny vary e, fanefitra mosary a
(Manimanina ny any Antsihanaka aho
Ô tsy tamana, te hiverina an-tanàna) x2

Raha ho any ianao ô, tenegno amin'azy agny
Raha ho any ianao ô, volagno amin'azy agny
Te hody zaho ô, te hody amin'azy a
Te hody zaho ô, fa tsy tamana a
(Lalalalalala a lalalalala a, te hiverina an-tanàna a)x2

Manimanina amoron-drano zaho
Ô tsy tamana a, lala lala lalala,

Manimanina amoron-jetra zaho
Ô tsy tamana a, lala lala lalala,

Manimanina ny any Alaotra zaho
Ô tsy tamana, lala lala lalala,

Manimanina ny any Antsihanaka aho
Ô tsy tamana, lala lala lalala
Lalalalala lalala lalala a, lala lala lalala!!!!!!

©Mangazaka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SOLO MIANADAHY
Vangy : 3936
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 21/09/2016 12:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4766