fanekena (SLK)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FANEKENA
Atsangako ny tanako,
Ho fanekeko eto anatrehanao e!
Tompo ô! Inty re aho e!
Manolotena hanaradia Anao.
Atsangako ny tanako,
Ho fanekeko eto anatrehanao e!
Tompo ô! Inty re aho e!
Manolotena ilay maditranao.
Nanao izay ratsy indrindra teo imasonao e!
Nanarampo tokoa kanefa aiza izao?
Raha tsy teo Ianao Jesosy angamba indrisy,
Ny fiainako efa potika tsy nisy.
Nampisehoanao zava-mahagaga,
Nafahanao tamin' ny loza izay nitranga,
Nampandalovinao memy sy lelafo,
Hay ireny sady kapoka no antso.
Atsangako ny tànako
Ho fanekeko eto anatrehanao e!
Tompo ô! Inty re aho e!
Manolotena ilay maditranao.
Anio Jesosy a!
Anio no anorenako ny voadiko eto anatrehanao
Notaominao aho ka voataonanao,
Nosamborinao aho, ka resinao!
Koa indro Jesosy a!
Atsangako ny tanako,
Ho fanekeko eto anatrehanao.
Asandratro ny feoko,
Hanambarako ny voadiko Aminao e!
Tompo ô! Inty re aho e!
Andranomaso miantoraka Aminao. (*2)
Efa ratsy aho nefa mbola tinao ihany,
Resy lahatra aho ka indro aho mitomany,
Mahatsiaro farany ny hadalana sy ireo ditra,
Zavapoana, fatiantoka no hita.
Koa tsy handeha toy izay lasa izay intsony,
Hanao ny antso sy ny asanao ho ambony!
Ankehitriny aho maniry sy mikasa,
Tompo ô! Honerako ny lasa.
Asandratro ny feoko,
Hanambarako ny voadiko Aminao e!
Tompo ô! Inty re aho e!
Andranomaso miantoraka Aminao.
Tompo ô! Inty re aho e!
Andranomaso miantoraka Aminao!
( SLKM MORIA ITAOSY)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK
Vangy : 6342
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Diako
Daty : 12/12/2020 19:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719