Embona (Silo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(extrait de l’album RIMO RIMO)
paroles et musique : Silo Andrianandraina


Hira tsotra kely iray
Tavela teo ho anay
Ka ho mandrakizay
Vazo feno hafanana
Naverina mazana
Ka tsy azonay ialana
Kalo niarahana nanao
Na ny tonta na ny vao
Tsy nety nankalao
Indro miram-pifaliana
'Reo feo tsy hay vidiana
Hanala ny mangina

Fiainana nianinana mazava
Ny saona nezahina nisava
Mozika niarahana nikolo
Ny lalao tontolo
Toa zaza be daholo

Nefa Raiso handrotsirotsy anao
Ho hira vaovao
Mba ho ao anatinao
Hira mety ho veloma
Tsy hay adinoina
Tsy sarotra fa hoe
Eiah ! Eiah ! ento mande !

Mbola hira tsotra kely ihany
Hirahira hatrany
Vao miala ny ento antany
Ka Raiso handrotsirotsy anao
Ho hira vaovao
Mba ho ao anatinao
Hira mety ho veloma
Tsy hay adinoina
Tsy sarotra fa hoe
Eiah ! Eiah ! ento mande

(ses chansons sont disponibles sur http://www.silo-sdf.com)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Silo
Vangy : 5135
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 23/08/2002 07:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2321