Voafetra (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Mahita anao toa falifaly mitantana iny olona iny aho
Vao maika koa mirediredy ary toa mandrevirevy te mba ho tantananao
Mijery anao toa ravoravo mamihina iny olona iny aho
Vao maika koa toa taratara ary te hiadaladala te mba ho fihininao

Nefa voafetra voarara tsy misy antenaina intsony
Fa na dia tiako aza ianao tsy ho haiko ny handratra ny fony
Kanefa anie ny ato anatiko misisika mitady anao ihany
Ka tsy tiako tsy ho tantiko ny hitazana anao lasany any
Ka raha mba mety ianao jereo ekeo ilay fitiavako
F’efa hatry ny ela no naniry ny mba tantananao sy mba ho fihininao

2. Na dia mamihina azy eny aho mitantana azy ianao nefa ianao foana no ato an-tsaiko
Variana nitsiriritra anao hatramin’izay kahatramin’izao ka tanan’olon-kafa indray no voaraiko
Izaho koa mba naniry efa impiry impiry hoe raovina ianao vao hosakambiniko
Fa niodina teny ny fotoana modimody fanina eny foana lasa olon-kafa indray no fihiniko
Taty aoriana izy ity naborakao ‘lay fitia nambaranao mazava teo am-poto-tsofiko
Fa toa mamenatra ‘lay peratra izay manjelajelatra ka tsy ho tanteraka indray ilay nofinofiko

Nefa voafetra voarara tsy misy antenaina intsony
Fa na dia tiako aza ianao tsy ho haiko ny handratra ny fony
Raha tsy hararaotina anefa hanenina mandrapahafaty
Ka mila hamakivaky saina mandreraka ny aina hoe inona no tokony hoatao, ho ataoko anao

3. Mahita anao toa falifaly mitantana iny olona iny aho
Vao maika koa mirediredy ary toa mandrevirevy te mba ho tantananao
Mijery anao toa ravoravo mamihina iny olona iny aho
Vao mainka koa toa taratara ary te hiadaladala te mba ho fihininao

Nefa voafetra voarara tsy misy antenaina intsony
Fa na dia tiako aza ianao tsy ho haiko ny handratra ny fony
Ka nefa anie ny ato anatiko misisika mitady anao ihany
Ka tsy tiako tsy ho tantiko ny hitazana anao lasany any
Raha tsy hararaotina anefa hanenina mandrapahafaty
Ka mila hamakivaky saina mandreraka ny aina hoe inona no tokony hoatao, ho ataoko anao

Nefa voafetra voarara tsy misy antenaina intsony
Kanefa anie ny ato anatiko misisika mitady anao ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 4919
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Mifab
Daty : 31/03/2017 15:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.289