You are here: home > Tononkira > Ny Avo

Mbola ao Jesoa (Ny Avo)


Lasa ny saiko raha mandinika ny fiainako
Nitebiteby aho, miahiahy foana sy matahotra
Tsy mba misy mpiaro hany aho, aiza no alehako
Inona ary no ataoko fa tena very hevitra aho

Mbola ao Jesoa hanafaka anao
Mbola ao Jesoa hitantana anao
Fa mbola ao Jesoa hanafosafo anao
Fa izy tena tia tsy mba manary anao
Fa mamonjy anao amin-java-tsarotra

Marina izany, Jesoa tia ahy sy ianao
Na ino-mitranga amin’ny fiainana
Na sarotra  ny làlana, ataovy an-dohanao
Jesoa dia maty hamonjy ahy sy iaTsiky dia ampynao

Reraka ny aiko mieritreritra ny hoaviko
Misalasala aho, mitaintaina foana isan’andro izao
Tsy mba manantena hany aho, aiza no alehako ?
Kely loatra ny finoako ka tena very hevitra aho

Mbola ao Jesoa hanafaka anao
Mbola ao Jesoa hitantana anao
Fa mbola ao Jesoa hanafosafo anao
Raha mino anie ianao ka mahatoky ny fonao
Dia aza matahotra fa hovonjena ianao

Marina izany, Jesoa tia ahy sy ianao
Na ino-mitranga amin’ny fiainana
Na sarotra  ny làlana, ataovy an-dohanao
Jesoa dia maty hamonjy ahy sy ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Avo
Mpamaky : 945
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 19/05/2019 20:00:39
ID : 11711

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo