Narindra (Narindra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N’iza no hiteny, hilaza eto androany
Avelantsika any fa manorisory raha ireny
Mbola tsy ireny no afaka handrava
Fa mba vazavaza niaritra teny

Ny kalon’ireny tsy ho tapitra izany
Ireo mpanenjika any am-parafara any
Ianao mahereza mba ho tsara tso-drano
Tsy ho voasakan’ny olona samy olombelona

Ny ora-mikija, rivo-mahery
Tsy mahasakana antsika ‘tsony ireny
N’iza tsy tia, n’iza no hamely
Ho rerak’izy tavela

Ny fitiavanao mbola mameno
izany tontoloko Satria iny efa nekena
ka tsy kilalao Na koa sangy ireny
ka aza kivy toy ny malemy

Ny takalon’ireny tsy ho tapitra izany
Ireo mpanenjika any am-parafara any
Ianao mahereza mba ho tsara tso-drano
Tsy ho voasakan’ny olona samy olombelona

Tiako ho tsapany ihany fa sao hoe tsy niteny
Fa mafy orina ny ahy anie ny aty
Fitia mbola zaza no azonao @reny!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Narindra
Vangy : 8441
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AndoNacho
Daty : 30/05/2013 06:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.276