Ngidy (Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsisy tsaroako ireo taloha
Nandalo no sady niserana
Ny ahy ny tavela ratsy avokoa
Ny mamy tsy nisy niverina
Fa lasanao

Amelao, anajanony na ho sombiny aza
Na dia hoe ny feonao sisa reko
Amelao, anajanony na ho sombiny aza
Na dia hoe ny feonao sisa reko
Fa tia

Ny vita anie hono fitadidy
Hiheverana ny mety ho avy
Ny farany ny antsika toa nangidy
Ny tsara lasa nanaraka azy
Nanjavona

Amelao, anajanony na ho sombiny aza
Na dia hoe ny feonao sisa reko
Amelao, anajanony na ho sombiny aza
Na dia hoe ny feonao sisa reko
Fa tia
--------
Rohy:
Hevitra
nomenalanjasarobidy ( 17/10/2019 08:18)
atolotro ho an'ilay olona tsy mety adinoko ity hira ity! malahelo mafy anao a!!! te hikiaka mafy!! amelao re,,, aiza ???
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nanie
Vangy : 18460
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : bodo
Daty : 05/05/2003 09:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4412