Mialm (Malm Martiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ooouh... na na na na na
Lai lai lai lai lai lai .....
yeeh!
Ialahy ngeh rehefa tiako
Dia hiafiako sy tsy foiko fa
Mamiko, mamiko
Hitako ny lanitro
Zany ny adalako
Fa raha potraka aho dia lavo
Ianao no nanadala
Ka ho halazako amin'ny Ray
Ka leo hanome zôzy aho
Ka aza asiana kôzy izany
Fa mamiko
Izany ny hadalako
Fa raha potraka aho dia lavo
Ianao no nanadala
Ho alazako amin'ny Ray.

Fa ho lozako
Ary koa ho lozanao
Fa manjary hifamitaka ny fo
Fa ao ihany koa
Fa hanitro, fa mamiko ianao.

F'izaho matoky
Fa ho resy ny hadalana
Satria ianao no namako
Rehefa nandray ny tanako
Nanaiky izato lalako
Efa saika valaka aho.
Ka matokisa ianao malala
Izaho ity anie tsy adala
Satria ianao no namako
Efa nandray ny tanako
Nanaiky izato lalako
Efa saika valaka aho.

Ka minoa ahy ry Mialm
Izaho anie tia, tsy hampijaly
Fa hizara zava-tsoa
Mahatsara antsika roa
Fa na maro mpivahiny
Tsy haiko intsony
'Zay hanjo an'iny.

Eny, eny, raha toa 'zay voateny fa
Hadalana 'zany
'Zany "life" ny eto an-tany
Fa ny hazavana ihany no 'ndeha toavina
Fomba tsy hanenenana sy
Tsy hatsiravina ny tohiny
Hanafitohana
Tsy azahoana fiany iih!

Tsy marina ho'ah izany
Fa ho lozanao sy ho lozako
Hanjary hifamitaka ny fo
Fa lanitro, fa hanitro,
Fa mamiko ianao.

Ay ay ay ay
Mmh mmh mmh

F'izaho matoky
Fa ho resy ny hadalana
Satria ianao no namako
Rehefa nandray ny tanako
Nanaiky izato lalako
Efa saika valaka aho.
Ka matokisa ianao malala
Izaho ity anie tsy adala
Satria ianao no namako
Efa nandray ny tanako
Nanaiky izato lalako
Efa saika valaka aho.

Ooouh... na na na na na
Lai lai lai lai lai lai .....
yeeh!
Ialahy ngeh rehefa tiako
Dia hiafiako sy tsy foiko fa
Mamiko, mamiko
Hitako ny lanitro
Zany ny adalako
Fa raha potraka aho dia lavo
Ianao no nanadala
Ka ho halazako amin'ny Ray.

F'izaho matoky
Fa ho resy ny hadalana
Satria ianao no namako
Rehefa nandray ny tanako
Nanaiky izato lalako
Efa saika valaka aho.
Ka matokisa ianao malala
Izaho ity anie tsy adala
Satria ianao no namako
Efa nandray ny tanako
Nanaiky izato lalako
Efa saika valaka aho.

Ooouh... na na na na na
Lai lai lai lai lai lai .....
yeeh!
--------
Rohy:
Hevitra
dfanhio ( 13/08/2016 09:48)
milay be
ricardomaminiaina628 ( 15/11/2017 12:12)
mlay eh!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Malm Martiora
Vangy : 31287
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Andy Jao
Daty : 20/04/2016 14:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071