IFONAKO (Laurent RAKOTOMAMONJY)

https://tononkira.serasera.org/hira/laurent-rakotomamonjy/ifonako-5

Ray ô! ifonako aminao anio
Ny hadalàna efa vitako Ray ô
Taminao dia taminao
Taminao no nanotako Ray ô ô
Ifonako

Ray ô! ifonako aminao anio
Mandohalika anatrehanao aho Raiko ô
Ray ô! Iza intsony moa
no hamela ny helok’ efa vitako
Afa tsy ianao, k’ifonako

Ref:Mahery loatra anie ny adim-panahy
      Ny adin-tsaina koa mandreraka ahy
      Mitambatra avokoa
      Mavesatra ao an-doha
      Matononkira.serasera.orgtetika no mampamoy fo
      Kanefa feno fandrika avokoa
      Ny làlana alehan’ny tena a a a a

Soa fa mbola tao Hianao
Eny hataramin’izao
Ka mbola ity aho Andriamanitra, Ray ô!
An-dranomaso no anehoko ny fifonako
Ka mamelà ny hadisoako ianao

Raha toa ety,tsy misy mila ahy intsony koa
Dia aiza indray moa no alehako Ray ô!
Raha miala izay mety mandao
Matoky aho Raiko tia, fa mbola manana anao
Hanampy ho ahy.
ooooooooooo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Mpamaky : 4565
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : kantokoely
Tamin'ny : 03/03/2008 23:39:07
ID : 5037

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo