Dieny mbola velona (Julien Rasimann)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maty lohataona ve vao fonosina valovitrana;
Rovi-damba ririnina tsy nomena tapa-jiafotsy.
Ny taolana mbola ho rava, ny nofo dia mbola hihintsana;
Velona tsy olom-pantatra ve ka maty vao ramalala.

Maty fararano ve vao itotoina ny vary rojo.
Tapa-kibo fahavaratra no tsy tsipazana fotsimbary.
Ny olona tsy mitovy anie ny hevi-tsy mifanojo;
Ny latsalatsan-kavana roy, mavesatra maharary

Karazana tany avy aiza no mbola itsangananao
Tsarovy fa n'aiza n'aiza, mivahiny izao isika izao.
Novolaina fa tamin'ny tany, nizarana ny fofon'aina
Raha mivadika mbola ho tany, ny lena dia mbola ho maina.

Ny lamban'ny fitiavana roy no manendrika k'itafio
Fa ny landy izay tsara tenona, ao am-pasana tsy madio.
Lambamena roa sosona tsy mahasolo ny adidy tsy efa.
Tsarovy ity androm-piainanao fa masoandro mirefarefa.

Karazana tany avy aiza no mbola itsangananao
Tsarovy fa n'aiza n'aiza, mivahiny izao isika izao.
Novolaina fa tamin'ny tany, nizarana ny fofon'aina
Raha mivadika mbola ho tany, ny lena dia mbola ho maina.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Julien Rasimann
Vangy : 1018
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 10/11/2019 15:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735