Fahatsiarovana (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miverina ato an-tsaiko
Ka mameno ny fiainako
Reo fahatsiarovana anao rehetra taloha
Ilay voninkazoko
Izay nandravaka ny androm-piainako
Toa manembona ahy fôna ato am-poko
Dia lasa ianao ka nandao ahy izao
Ka izaho irery no navelanao
Hanohy ty fiainana..

Ref:
Iriako eny hitoetra eto indray
Ilay fitiavantsika natao ho iray
Fitiavako nomeko anao
Manantena aho fa indray andro any
Hisolo hafaliana ilay tomany amin'izay

Fa toy ny masoandroko ianao
Nanazava ny androm-piainako
Ireo toloko sy alahelo ny fo
Tsaroako ihany koa ireo lasa sy ireo dinam-pitia
Izay nataontsika hoe ho doria
Malahelo anao aho izao
Ka mahatsiaro lavitra anao
Veloma mandrakizay
yeah! yeah! yeah!
Ref..

Bridge:
Masoandro nandrandraiko hiposaka ho ahy
Toa rahomainty fona no hitako hatrizao noho ianao
Mino anefa aho fa mbola ho avy
Ilay andro iray izay tsy maintsy hiaonantsika indray
Ary ho mandrakizay...(Refrain)

JON MOS

©2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos
Vangy : 1311
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : inarose07
Daty : 09/08/2020 13:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1881