Miverena (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIVERENA (first version)

Efa andro maro lasa izay
No nandrandraiko ilay fitia
Namela ratram-po tsy haiko sedraina
Mahatonga ahy hitaraina
Fa ny anio, ny ampitso koa rahatrizay
Dia ny ho eo aminao ihany no faniriako
K' ankehitriny aho manantena anao
Ny hiverenanao
Raha azo atao....
yeah eee

Fiverenana:
Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin'ilay toeranao

Dia aza fohazinao intsony ireo lasa
Fa efa nohadinoiko avy izy ireny
Ka tsy hiverenako intsony
Toa zary embona nanaraka ahy fôna ireny
Ilay endrikao hatrizay
Toy ny voninkazo iray
Fa raha tsapanao, fa mbola tiako hitoetra ao am-ponao
Ilay fitia izay nangeja hatrizay
Ka indro averiko indray hoe:

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin'ilay toeranao

Bridge:
Toy izany aho rehefa tia
Ka aza hitseranao na kilalao
Nefa mbola manantena ihany aho
Fa ho avy ny andro iray
Ho iray indray izaho sy ianao

int:
Eny tiako ianao hatramin'izao
Ka iriako hiverin'indray
Ilay fitiavan'iray ka hiraiko hoe

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin' ilay toeranao
Nataoko ho fantatrao, eny hatramin'izao fa mbola tiako ianao
K'aza ilaozanao aho
Fa miverena...

yeah! aza avelanao (x2)
hanirery aho
yeah! ianao na handao ahy (x2)
tiako ianao eh eee!!

Album ''Best of Jon Mos '
©2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos
Vangy : 1235
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : JacksyRose
Daty : 26/09/2020 09:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074