You are here: home > Tononkira > Imiangaly

My Baby Boo (Imiangaly)


Rivotra
Rivotra mamelombelona, mitondra tsioka
Manoritra tsiky tsy mety fafana, tsy mety gomaina
Ilay feonao

Rano
Rano loharanon’aina tsy hamela ho maina
Ilay fanantenana fa mbola handresy, mitsiry tsy ho tana
Ilay fitiavanao

Afo
Mandoro tsy laitra vonoina na dia efa mitsovaka
Sy mipoa-drano aza dia mbola idongiana ikasokasohana
Ity fonao

Tany
Iorenako sy anorenako fakako, vatako fTsiky dia ampyakam-panahy
Ka nifikiran’ireo nofinofiko
Ireo masonao

Baby, Baby Boo,
Fa ahiko, fananako,
Singan’ny fiainako ianao
Oh my Baby Boo
Tontoloko manontoloko
Singan’ny fiainako ianao
Tiako ho fantatrao fa ianao

Ilay rivotra
Ny rahona,
Ilay afo
Ilay tany
Iorenan’izao tontoloko izao

Baby, Baby Boo,
Fa ahiko, fananako,
Singan’ny fiainako ianao
Oh my Baby Boo
Tontoloko manontoloko
Singan’ny fiainako ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Imiangaly
Mpamaky : 358
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 21/04/2019 12:13:04
ID : 11567

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo