RAHA TSY AO AMINAO (Vol.1) (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAHA TSY AO AMINAO (Vol.1)

1. Raha tsy ao aminao ny fiainana feno vavaka,
Ataonao ahoana no hamantatra sy ho fanavaka
izay hahasoa na tsy hahasoa anao ?
Na ratsy na tsara hafangaronao.
Hampahalala anao izay tokony atao ny vavaka.

Raha tsy ao aminao ny faharetana amin'ny vavaka,
Dia ho avy ilay ratsy hitarika anao ho any an-davaka.
Fa tena simbainy io fisainana io,
Ny zava-maloto ataony hoe madio
Hanala ireo fandrika handoto anao ny vavaka.

Maraina sy antoandro na alina ianao
Ny mihaona amin'ny Tompo no ataovy fanao
Fa Izy hampahiratra ny masom-panahinao
Ianao tafaray marina Aminy
no ahafantaranao izay sitrapony.
Hinoy fa Andriamanitra dia hamaly ny vavakao.

2. Raha tsy ao aminao ilay Fanahy mahery, Fitiavana
dia tsy ho fantatrao izay lalan_kaleha hahatongavana
sy hanatratra ilay paradisa arÿ,
amboaran'ireo izay maharesy ety.
Ny mahatsara anao: ny manaiky mba ho tantanany.

Raha tsy ao aminao ilay Fanahy mahery Mpananatra
hampianatra anao f'izay mietry ihany no hasandratra.
Fa raha ny toe-tsaina tia rehareha no iheveranao tena ho tsara fandeha,
Dia tsarovinao f'ianao indray no lasa farany.

Fa fihazakazahana ity tany ity,
na ianao tafita na potraka ety.
Fiarovana tsara omeny anao ny Fanahiny.
Ny hazakazakao tsy ho tanteraka.
Ianao ihany koa mbola ho reraka
Raha tsy ao aminao ilay Fanahy mahery hitantanana anao

Hosana Ambohijatovo Fitiavana
A/C: RAJAONARIVELO Germain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 1465
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoublinette
Daty : 11/12/2019 13:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864