INTY AHO (HIRA)

’Njay misy feo any ho any
Feo miantso ahy
Feo toa miantso ahy mafy
Hoe: "aiza ianao"
’Njay manakoako ao an-tsofiko ao
’Lay antsonao
Misy fitia avy aminao
Atolotrao ahy.

Inty aho
Mananotona anao Tompo ô!
Vonona aho ny hoirakao
Mandrakizay
Fantatro fa sarotra ny lalako
Omeo ny hery masinao
Ho toky sy aroko.

Ra toa halaim-panahy
Ry Tompo Masina ô
Aza avela irery aho
Tohano aho ihazona anao
Raha sendra lavo aho aza ariana
Hareno aho
Vonona aho ry Jeso tia
Hamaly ny antsonao.
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/hira/inty-aho-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HIRA
Vangy : 3226
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/11/2007 07:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0664