Andriamanitra ô ny fonay (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ô, ny fonay
Faly ravo te hidera Anao
Noho ireo fahasoavana
Marobe 'zay narotsakao
Ka ny hoby sy ny hira
Mariky ny hafaliana no ventesinay
Ho Anao ry Ray

Ref: Sambatra izay mitoetra eo anilanao (Jehovah)
Fa hidera Anao mandrakariva izy
Hankalaza ny Anaranao sy hihira fihiram-baovao
Fa fitiavana mandrakizay no nitiavanao anay

Lehibe ny famonjena
Namonjenao ny fanahinay
Fa ny ainay tao an-davaka
Indro efa navotanao
Ka manenika ny tany izany voninahitrao
Andriamanitra Tompo Mpanjakanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 889
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 23/05/2020 14:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3792