Meteza ho ahy (Finaritra (Rindra Tarika))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Toa jambanao,
Tsy mahajery hafa intsony!
Indrindra rehefa fihininao,
Mahatsiaro sambatra tokoa.

Fa ny anilanao, ilay paradisa!
Iriko mba ho rahatrizay
Ilay fo roa hitempo ho iray.

Ref:
Fa tonga lafatra ianao,
Mamin'ny foko tsotr'izao
Efa babonao re aho
Tsy misy hasolo anao.

Fa na ory na finaritra
Raha izay no hampifamatotra
Tsara ny roa no ny iray
K'ianao meteza ho ahy.

Dia ho tokan-trano sambatra
Ankinina amin'Andriamanitra
Hiombon-droa,
Hifankatia tokoa!
Ho fitia lamban'akoho.

..................

2 - Ny masoandroko,
Mamehy loha isan'andro
Ilay masonao mijery ahy,
Mitaratra fitia.

Ilay tsikinao,
No andraindraiko isanandro
Velombelona ny fo
Miratra ny fiainako.

Ref:
Fa tonga lafatra ianao,
Mamin'ny foko tsotr'izao
Efa babonao re aho
Tsy misy hasolo anao.

Fa na ory na finaritra
Raha izay no hampifamatotra
Tsara ny roa no ny iray
K'ianao meteza ho ahy.

Dia ho tokan-trano sambatra
Ankinina amin'Andriamanitra
Hiombon-droa,
Hifankatia tokoa!
Ho fitia lamban'akoho.

Fa na ory na finaritra
Raha izay no hampifamatotra
Tsara ny roa no ny iray
K'ianao meteza ho ahy.

Dia ho tokan-trano sambatra
Ankinina amin'Andriamanitra
Hiombon-droa,
Hifankatia tokoa!
Ho fitia lamban'akoho.

Dia ho tokan-trano sambatra
Ankinina amin'Andriamanitra
Hiombon-droa,
Hifankatia tokoa!
Ho fitia lamban'akoho.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Finaritra (Rindra Tarika)
Vangy : 1462
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Camarade
Daty : 07/03/2019 14:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713