Hevitra momba ny Feo roa

Hiverina amin'ny Feo roa Hampiditra hevitra
hery ( 4 andro lasa)
Toa izao ny fitantaran'i Fanja Andriamanantena ny momba ity hira ity tao amin'ny Facebook

𝗧𝗔𝗑𝗧𝗔π—₯𝗔 π—žπ—˜π—Ÿπ—¬ 𝗛𝗔π—₯π—œπ—©π—”π—₯π—œπ—©π—”
Ilay teny hoe π— π—’π—­π—œπ—žπ—” 𝗧𝗦𝗒𝗧π—₯𝗔 π—œπ—­π—”π—’ dia teraka avy aminΒ΄ilay hira hoe π—™π—˜π—’ π—₯𝗒𝗔 izay nampihiraiko anΒ΄i Lalie sy Nanie, noho ny fangatahanΒ΄izy mirahavavy.
Poema-ko nipirina tsara tao, lavalava dingana, tsy noeritreretiko mihitsy ho lasa tononkira fa toa ho sarotra takarina raha mbola asiana feony. πŸ”Ίπ—œπ—¦π—œπ—žπ—” 𝗑𝗒 π— π—œπ—”π—₯π—”π—žπ—”, π— π—’π—­π—œπ—žπ—” 𝗧𝗦𝗒𝗧π—₯𝗔 π—œπ—­π—”π—’πŸ”Ίhono ...
Kanefa tsy nahita tononkira mihItsy aho. Lalie sy Nanie, etsy an-daniny, dodona dia dodona.
Dia noraisiko ihany ilay poema. Sao mba mety ho lasa tononkira...
Dia vita. Saingy tsapako ho tena feon-kira sarotra no hiaraka aminΒ΄ny tononkira efa sarotra rahateo.
Tonga tao an-tranoko izy roa hihaino sy haka ilay hira "duo" nangatahiny. Nolazaiko fa sarotra ny mihaino azy... Tsy nanaiky izy roa fa dia noraisiny ny hira dia ...
Nomena anΒ΄i Samy Andriamanoro ny fandrindrana...
Dia nentina tao aminΒ΄ny Dosol ny fandraisam-peo. Dia vita !
Dia renareo mpihaino, dia tianareo. Dia hirainareo. Na mariazy na karaokΓ©πŸ˜„...
Mankasitraka azy mirahavavy aho... Fa misaotra anareo mpihaino mpaka fy...
πŸ™πŸ™πŸ™
Β© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0857