Androany no androany (Doublenn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gasikara

Ho anao any ho any
Teneniko aminao fa zah androany tendrombohitra
Dia na mitsoka aza ny rivotra tsy mihontsona zany
Androany aho volkano handefa afo sy lavenona
Ivoahako dia tsy mety ho lasan-ko razana i Doubl’Enn
Androany aho rano voahasina hankahery anao mino ahy
Androany aho rambondanitra hamotika ny loto ambony insta
Androany aho hanamboatra trano ao am-ponao
Satria handeha hody any aho izao dia izao

Androany andro vaovao milay noho ny omaly
Milay loatra satria vao nifoha aho dia faly
Satria ny andro androany efa voasoratra ho anah
Dia vakiako isaky ny henonao ny aingam-panahy
Androany aho liona miambina ny lohasaha mangina
Androany aho voromahery manidina eny amin’ny taona zina
Androany aho dragona hamoaka afo hanala ny hatsiaka
Androany aho sphynx hitazana ny kintana ho avintsika

An an an, mety ho faty rehefa avy eo na radem
Ny omaly tsy voaova fa dia carpe diem
Hihira aho, hihira aho, hihira aho
Izao aho sambatra na ho faty rehefa avy eo na radem
Hiran’ny fiainako, Doubl’Enn
Hihira aho, hihira aho, hihira aho

Androany aho andriamanitry ny fitiavana, bà betsaka avy aty
Androany aho andriamanitry ny soratra, tonga ho azy ny inspi
Androany aho andriamanitry ny ady hitondra fandriampahalemana
Androany aho andriamanitry ny hatsarana, henoy ny fiverenana
Androany aho fahafinaretan’ny vatana anaty tantra
Androany aho tsy maintsy mitanisa mantra
Androany aho any amin’ny tontolon’ny ara-panahy
Androany aho mi meditaka, merkabah
Androany aho tany an-tany mankafy feom-boronkely
Voninkazo maniry, ny hamamin’ny tantely
Androany aho masoandro hanala ny aizin’ny alina
Hitondra aina, hazavana any ambany tany lalina
Hampiaiky anareo rehetra satria androany aho kintana
Raiso ny tànako satria aminareo aho androany vintana
Androany aho olon-tsotra miarahaba anao amin’ny tsikitsiky
Mila mpankahery ianao androany dia ity ny ahy ny anjara biriky

Mety ho faty rehefa avy eo na radem
Ny omaly tsy miova fa dia carpe diem
Hihira aho, hihira aho
Izaho aho sambatra na ho faty rehefa avy eo na radem
Hihira ny fiainako, Doublenn
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Doublenn
Vangy : 6525
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/04/2016 22:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115