Tsisy lonilony (Do Rajohnson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nataoko mihitsy izay hihazonana anao mba ho ahy,
Nefa indrisy
Namoronako ny tsy nisy, nefa ianao tsy mba nahatsapa izany
Nataoko ireny, fa tsisy neniko velively

Raha fitia hampijaly tsy aleo ve isika hifandao
Fahendrena ho ahy ny mamela tanteraka anao
'Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F'efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray

Nihazakazaka toa tsy nitsisy, ireo fihetsikao izay nandratra ny foko
Ka nampitoloko
Sedra-mpitiavana anie vita ihany, nefa mba aiza ny setrin'izany
Aleoko tsy misy f'efa mba niaritra sy efa nikimpy aho

Koa raha fitia hampijaly tsy aleo ve isika hifandao
Fahendrena ho ahy ny mamela tanteraka anao
'Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F'efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray.

Raha fitia hampijaly tsy aleo ve isika hifandao
Fahendrena ho ahy ny mamela tanteraka anao
'Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F'efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray

Koa raha fitia hampijaly tsy aleo ve isika hifandao
Fahendrena ho ahy ny mamela tanteraka anao
'Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F'efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray

'Ndeha ny lalanao zory, aza miherika intsony
F'efa afoiko tsisy lonilony.
Mahità fiainam-baovao hafa indray

Mahità fiainam-baovao hafa indray
Mahità fiainam-baovao hafa indray
--------
Rohy:
Hevitra
mahenintsoanandrianina ( 10/11/2016 19:53)
mafinartra ahy ity tonokira ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Do Rajohnson
Vangy : 18986
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tatchy
Daty : 30/10/2015 09:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2635