You are here: home > Tononkira > Dadah Rabel

Ianao ilay tsy manan-tsahala (Dadah Rabel)

https://tononkira.serasera.org/hira/dadah-rabel/ianao-ilay-tsy-manan-tsahala-1

Ianao ilay tsy manan-tsahala,
Ilay nisafidy hizara ny diako;
Ianao ihany no mahalala,
Ireo ahiahy sy ireo faniriako;
   Ianao teo anilako hatrany,
   Nizara ny tsiky, namafa tomany;
   Ianao no nanampy, nampitraka,
   Nanampy ahy hibaby ny mafy tsy zaka...

ITsiky dia ampyanao ilay tsy manan-tsahala,
Ilay nisafidy hizary ny hoaviko,
Ianao, ilay hany tokako, malala,
Ilay mandra-maty hany hotiaviko;
   Ianao teo anilako eo foana,
   Tsy fanontaniana, tsy nisy hoe nahoana;
   Ianao ilay tsy be fisehosehoana,
   Nefa tratr’antso rehefa antsoina...

Dadah

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Dadah Rabel
Mpamaky : 4783
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Ryana
Tamin'ny : 25/10/2003 05:11:58
ID : 2037

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo