Matokia (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Efitra sy tany foana
No lalana diavinao
Miakatra sy mikitaona
Ka hana sy reraka ianao
Fa sendra 'zy ady mangotraka
No mandrakotra ny andronao

Impiry ianao irery
No tojo loza sy atambo
Rivotra sy onja mahery
Impiry ianao no vaky sambo
Ny olana ela sy! vaovao
Zary fiananao


Ref: (Ny finoana )
Fa nohon’ny finoanao
(Jesoa milaza)
Jesoa no milaza izao
(Hoe ianao)
Hoe matokia hianao
Izy hambomba anao
Ka hampandresy anao
(Noho ny asanao)
Ary noho ny asanao
(Jeso ho anao)
Jeso no miady ho anao
(Ny olanao)
Ka ny olana diavinao
Ravany ka vaky lao
Resiny tsotra izao


2- Voageja ianao fa tsy tery
He kivy fa tsy mamoy fo
Rasaina kanefa tsy very
Vangoina fa tsy mety voa
Lotoina ianao fa vao maika madio
Jesoa no manadio

Potraka ianao fa tsy maty
Enjehina fa tsy nafoy
Vizana sy tenenin-dratsy
Tsy dobo fa tsara fivoy
Ianao tsara mpiandry sy tsara toky
Dia Jesosy Ilay Zoky

Ref: (Ny finoana )
Fa nohon’ny finoanao
(Jesoa milaza)
Jesoa no milaza izao
(Hoe ianao)
Hoe matokia hianao
Izy hambomba anao
Ka hampandresy anao
(Noho ny asanao)
Ary noho ny asanao
(Jeso ho anao)
Jeso no miady ho anao
(Ny olanao)
Ka ny olana diavinao
Ravany ka vaky lao
Ka matokia àry ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 3549
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mamy94
Daty : 22/01/2019 12:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751