Ekeko re (Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha sendra mba ory aho Tompo o
Tsy hiala Aminao na oviana
Hanaraka Anao fifaliako
Na ho mafy ny fijaliana
Mino aho Tompo o fa Ianao no mandahatra
Izay rehetra miseho amin'ny fiainako
Ekeko re

Mahery fa manana Anao aho Tompo o
Ianao mampionona ahy raha sendra manjo
Zavatra tokana ihany no iriko eto an-tany
Hiara-mitoetra Aminao any an-danitra any
Ekeko re ry Tompo, ny fitondranao ekeko re

2- Raha mila ho kivy aho Tompo o
Ka hihemotra handao Anao
Ampatanjaho ny finoako
Satria Ianao no Mpiahy
Mino aho Tompo o fa Ianao no mandahatra
Izay rehetra miseho amin'ny fiainako ekeko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin
Vangy : 2988
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanaja Mandranto
Daty : 18/04/2021 10:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836