MIONDRIKA AHO (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Taloha aho nahalala AnaoFa tsy haiko hoe : Ianao no miadidy ahy
Nianarako ka fantatro ny herinao,ny fahalehibiazanao
REF :
Ô ! Jesosy ô, miondrika aho
Tsy mendrika ny hiantso Anao
Ny fisinao no heriko, ny herinao no tanjako
2. Nisisika aho ny hanakaiky Anao
Baibolinao nataoko fiainana
Nolazainao 'reo otako, ka nasainao nilaozako
REF :
Ô ! Jesosy ô, miondrika aho
Tsy mendrika ny hiantso Anao
Ny fisinao no heriko, ny herinao no tanjako
Ianao no Raiko ( Ianao no miaro ahy )
Ny fahatokiko ( Anao ho mandrakizay )
Tsy hatahotra aho ( f'Ianao no Tompoko )
Inty ny foko ( ny fisinao no heriko, ny herinao no tanjako )
( x2 )
NY FISINAO NO HERIKO, NY HERINAO NO TANJAKO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)Vangy : 564
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ckaye
Daty : 06/06/2022 20:05