Mihavàna (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
( RAZERITRIDY )
O Rabery maninona moa zanakay nokapohinao ?
Tena inona mihitsy moa no tsy aritrao tonga dia lazao ô ?
Raha mahasahy dia aza atao takotakona any
Raha ny anao no nataoko izany dia efa tsy haiko izay ihafarany

( RABERINADETY )
Oka kosa Razeritridy zanakao tsy mahay miaina
Alefaso ary 'zay alefanao fa dia tsisy iasako saina e !
Ela mintsy koa no niandrasako anao
Tairo moa 'zao dia zao, zah tsy mitsôka anao

Anarany fotsiny, milaza mpivavaka
Nefa toetran-devoly, mamarina an-davaka

( RAZERITRIDY )
Ary enao ??
Mba hoe diakôna, mpitarika olona
Nefa be sermôna, sady manimba fiaraha-monina

Tairo 'zay alefanao e, tairo zay alefanao
Tairo zay alefanao Rabery e ! tairo 'zay alefanao

( RABERINADETY )
Zah tsy mitsôka anao e, zah tsy mitsôka anao e
Zah tsy mitsôka anao Tridy e! zah tsy mitsôka anao

( RAZERITRIDY )
Aza mba tratrako mandalondalo any ambany tanàna ndriko e !
Ataoko mahalala an-dRazeritridy any e

( RABERINADETY )
Aza mba itako misokosoko any andrefa tanana kiala e !
Ataoko mahita an-dRaberinadety any e !

------------------------------------

Misy didy tena tsara, 'zay nomen'ny Tompo hoe :
Mba mifankatiava tsara ianareo 'zay mino e!
Ka miraisa ka miraisa, 'zao no didy lehibe
Ka miraisa ka miraisa, 'zao no didy lehibe

------------------------------------

Ny hevitry ny hazo fijaliana ( ho ah ) anie dia fitiavam-be tsy lany
Fampihavanana an'Andriamanitra amintsika ety an-tany
Ary koa tsika olombelona dia mila mifankatia !
Avia, sahia, torio Kristy e !
( x2 )

Mihavàna e, mihavàna e!
Ny mpianatry ny Tompo anie re olona asainy mifankatia e
Mihavàna e, mihavàna e!
Fa io mifanambanimbany io tena ataovy sanatria
Mibebaha e, mibebaha e!
Faly ny an-danitra any anie raha misy mpanota mibebaka !

Faly ny an-danitra any e, Tena marina izany ô ôô
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)
Vangy : 476
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ckaye
Daty : 09/06/2022 19:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073