You are here: home > Tononkira > A3F

Fanomezana Sarobidy (A3F)

https://tononkira.serasera.org/hira/a3f/fanomezana-sarobidy-1

Noenjehina ny Tompo hatramin'izay
Nefa tsy namaly aza Izy
Nalatsa-drà tety ambonin'ny tany
Mba ho Famonjena ahy sy ianao
Mbola hisalasala ve ianao
Handray 'zany famonjena lafo izany
Fa raha 'zaho teo amin'ny toeranao
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Hey yeah!
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Fa raha te-ho voavonjy ianao
Ekeo 'lay avotra ho anao

F'izaho no nanota fa tsy Ianao ry Jeso
Nefa Ianao nanaiky hisolo voina ahy
Tena mafy ny ady izay natrehinao
Ny fahoriana nianjady Taminao

Tsy sahiko natrehina (Hey)
Tsy sahiko natrehina (Jeso ô)
Tsy sahiko natrehina (fahorianao)
Tsy sahiko natrehina

Ka dieny izao mifona Aminao aho
Inty ny foko onenonao
Feno loto re mba sasao
Ho toy ny Anao

Tsy sahiko natrehina (Yeah i)
Tsy sahiko natrehina (Ou ou ou ou)
Tsy sahiko natrehina ('lay fijalianao)
Tsy sahiko natrehina

Fa raha 'zaho teo amin'ny toeranao
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Hey yeah!
Aza miandry! Ekeo dTsiky dia ampyieny izao
Hey yeah!
Aza miandry! Ekeo dieny izao
Fa raha te-ho voavonjy ianao
Ekeo 'lay avotra ho anao

F'izaho no nanota fa tsy Ianao ry Jeso
Nefa Ianao nanaiky hisolo voina ahy
Tena mafy ny ady izay natrehinao
Ny fahoriana nianjady Taminao

Tsy sahiko natrehina ('lay fahoriana izay nahazo Anao)
Tsy sahiko natrehina (Oh oh)
Tsy sahiko natrehina ('lay fijaliana nianjady Taminao)
Tsy sahiko natrehina

Tsy sahiko natrehina (Jeso! 'lay fahoriana izay nahazo Anao)
Tsy sahiko natrehina (Inty aho handray Anao)
Tsy sahiko natrehina (Ou ououououou)
Tsy sahiko natrehina

Eny tokoa ry Tompo!
Tsy sahinay natrehina raha 'lay fahoriana izay nahazo Anao
Nohon'ny fahotako ihany anefa no nahatonga izany
Fanomezana sarobidy tokoa 'lay famonjena 'zay natolotrao
Koa ankehitriny Ray ô!
Indro ny foko atolotro Anao na dia tsy mendrika aza
Ô! Mba raiso 'zany ka anjakao
Misaotra Tompo ô!
Amen.

A/C: IndraFe
Arr: RALAINIRINA Valitera Edmond

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : A3F
Mpamaky : 241
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : fansDiez
Tamin'ny : 23/04/2019 16:08:33
ID : 11576

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo