You are here: home > Forum

Aoka ho masina ianareo

Lohahevitra : Paroles de chansons malgaches
Fitohizan'ny hafatra : Aoka ho masina ianareo
Valiny : 0
Chanson Adoration - 18/04/2022 09:13
Aoka ho masina ianareo
F'Izaho dia masina rahateo
Ka ny fanahiko no ekeo
Reko ny antsonao hoe : " Vonjeo ! "
Aoka ho masina ianareo
F'Izaho dia masina rahateo
Ny saina sy ny fonao dia omeo
Ny fiainako tety an-tany jereo

Fa masina, fa masina
Fa masina Andriamanitra
Fanasina, fanasina
Fanasina isika
Fa masina, fa masina
Fa masina Andriamanitra
Fanasina, fanasina
Fanasina isika

Aoka ho masina ianareo
F'Izaho dia masina rahateo
Ny adinao masina no hatreo
Ny fahavalontsika koa dia reseo
Aoka ho masina ianareo
F'Izaho dia masina rahateo
Ny ho tafaray amiko no kendreo
Ny teo-panahinao mba tefeo

Fa masina, fa masina
Fa masina Andriamanitra
Fanasina, fanasina
Fanasina isika
Fa masina, fa masina
Fa masina Andriamanitra
Fanasina, fanasina
Fanasina isika

Aoka ho masina ianareo
F'Izaho dia masina rahateo
Tsy ho resin'ny zava-manjoa miseho
Tsarovy f'Izaho tsy lavitra f'eo
Aoka ho masina ianareo
F'Izaho dia masina rahateo
Venteso ny hira, haingao ny feo
Fihiram-baovao izay tsy mankaleo

Fa masina, fa masina
Fa masina Andriamanitra
Fanasina, fanasina
Fanasina isika
Fa masina, fa masina
Fa masina Andriamanitra
Fanasina, fanasina
Fanasina isika
Valio | Miverina eny ambony