You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo mpandainga

Lohateny : mpandainga
Nampiditra tondrompeo : tony ral's uchiwa
Daty : 04/05/2017


Efa haiko, efa hainao


Hoe zah 'ty anie hoà ka mpamitaka a!


Nefa ataovy ao an-tsainao


Fa misy kosa anie hoà ireo mpanitatra a!


Fa na ny sipako a! Efa tsy tratra


Efa nisitaka zah a!


Zah tsy maditra ka na hoe manitsaka


Nanenina amin'ny vitako hoà zah


Ahaan! Fa tena tsy nety a!


Ahaan! Manaiky fa resy aho!


Ahaan! Fa zah anie hoà olombelona


Mba manana heloka mitovy amin'ny rehetra


Izany anie mahatonga anah mba mandainga


Satria raha fantatrao ny marina


Ny hoavintsika mety ho lasa baraingo


Zah anie fa tsy te ho lavo fa mbola te-hiarina


Aouihaouihih! (x3)


Fa tsy te ho lavo fa mbola te-hiarina


Izy niaritra laingalainga


Maika hijinja nefa kamo hamadi-bainga a!


Aminao irery ihany no mandoalika ankoatran'ny mivavaka


Madio ny ahy ny fo, madio dahôly ankoatran'ny vavako (Let's get it)


Tsy maintsy mandainga aho mba tsy hifamaly


Dia atao taloha be na hita fa omaly


Nahatsiaro aho ka nandeha niala tsiny


Ny hatsarako no jerena fa tsy ny haratsiany


Ahaan! Fa tena tsy nety a!


Ahaan! Manaiky fa resy aho!


Ahaan! Fa zah anie hoà olombelona


Mba manana heloka mitovy amin'ny rehetra


Izany anie mahatonga anah mba mandainga


Satria raha fantatrao ny marina


Ny hoavintsika mety ho lasa baraingo


Zah anie fa tsy te ho lavo fa mbola te-hiarina


Aouihaouihih! (x3)


Fa tsy te ho lavo fa mbola te-hiarina


Nanao ny tsy nety anie zah


Ka miangavy ny heloko mba avelao re!


Na hoe mpandainga dia zah manaiky a!


Fa tairo 'lay fonao mikatona mba velaro e!


Aoeh! Aoeh!


Miangavy zaho mba hijanona ao amin'ny fonao


Aoeh! Aoeh!


Dia mino aho fa voaray an-tanan-droa rehefa mifona aho


Izany anie mahatonga anah mba mandainga


Satria raha fantatrao ny marina


Ny hoavintsika mety ho lasa baraingo


Zah anie fa tsy te ho lavo fa mbola te-hiarina


Aouihaouihih! (x3)


Fa tsy te ho lavo fa mbola te-hiarina

Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa