You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo Anao manontolo

Lohateny : Anao manontolo
Nampiditra tondrompeo : Maira anja
Daty : 28/01/2017


Iza intsony moa no hihaino ahy raha hitaraina


Raha tsy eo ianao mangaina


Iza ihany koa no mba hihantahantana


Raha toa ianao lasàna


Tena tsaroana ho banga


Raha izany tokoa no hitranga





          Refrain: Aza ilaozanao irery eto aho


                       Fa ory ity fo torotoro


                       Raha ny amiko rehetra tsy mba mandao


                       F'efa anao, anao manontolo





Tsy hafa  antenaina f'efa enao ny hery sy aina


Ampisokatra ilay maraina


Mirana avokoa izany saina sy ny fo


efa henika anao tokoa


Sarotra ho ahy ny hanavao


efa feno tanteraka anao





                         Refrain: Aza ilaozanao irery eto aho


                                      Fa ory ity fo torotoro


                                      Raha ny amiko rehetra tsy mba mandao


                                      F'efa anao, anao manontolo


                         Refr:     Aza ilaozanao sns.....





Na iza hiseho andrabiraby eo


Ny foko efa tia tsy ho leo


Fa ianao ihany no mamiko indrindra eto an-tany





                          Refrain: aza ilaozanao sns...

Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa